Genesis 48:14 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia natsotran’Israely ny tanany havanana ka napetrany tamin’ny lohan’i Efraima nefa izy no zandriny, fa ny tanany havia kosa no nataony teo amin’ny lohan’i Manase; izany hoe nampifandikainy ny tanany nefa i Manase no lahimatoa.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Natsotran’i Israely ny tanany havanana, ka napetrany tamin’ny lohan’i Efraima izay zandriny; ary ny tanany havia tamin’ny lohan’i Manase; niniany natao toy izany ny tanany, fa i Manase no zokiny.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Fa nampifamadihin’i Jakôba ny tanany, ka ny tanany havanana no napetrany teo amin’ny lohan’i Efraîma na dia zandriny aza io; fa ny tanany havia kosa no napetrany teo amin’ny lohan’i Manase, kanefa izy io no lahimatoa.
Malagasy Bible 1865
Dia nahinjitr'Isiraely ny tanany ankavanana ka napetrany tamin'ny lohan'i Efraima, nefa izy no zandriny, fa ny tànany ankavia kosa teo amin'ny lohan'i Manase; fa niniany natao toy izany ny tànany, nefa Manase no lahimatoa.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia natsotran’Israely ny tanany havanana ka napetrany tamin’ny lohan’i Efraima nefa izy no zandriny, fa ny tanany havia kosa no nataony teo amin’ny lohan’i Manase; izany hoe nampifandikainy ny tanany nefa i Manase no lahimatoa.
malagasy