Genesis 48:16 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
ary ilay Anjely izay Mpamonjy ahy tamin’ny loza rehetra, Izy anie hitahy ireto zaza ireto! Aoka ny anarako sy ny anaran’i Abrahama sy Isaka raiko no hanononana azy; ary hitombo ho maro dia maro eo amin’ny tany anie izy ireo!
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
ary ilay anjely namonjy ahy ho afaka tamin’ny loza rehetra, hitso-drano an’ireto zaza ireto. Aoka hantsoina amin’ny anarako, sy amin’ny anaran’i Abrahama sy i Isaaka razako izy; ary hitombo ho maro dia maro, eo amin’ny tany.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
antsoiko ilay Anjely Izay nanavotra ahy tamin’ny loza rehetra; dia hotahîny anie ireto zazalahy ireto! Ka amin’ny alalan’izy roa lahy no hahatsiarovana ny anarako mbamin’ny anaran’i Abrahama raibeko sy i Itsehàka raiko! Hitombo maro dia maro eo anivon’ilay tany anie izy!
Malagasy Bible 1865
ny Anjely Izay Mpamonjy ahy tamin'ny loza rehetra: Izy anie hitahy ireto zaza ireto; ary aoka ny anarako sy ny anaran'i Abrahama sy Isaka raiko no hanononana azy, ary hitombo ho maro dia maro eo amin'ny tany anie izy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
ary ilay Anjely izay Mpamonjy ahy tamin’ny loza rehetra, Izy anie hitahy ireto zaza ireto! Aoka ny anarako sy ny anaran’i Abrahama sy Isaka raiko no hanononana azy; ary hitombo ho maro dia maro eo amin’ny tany anie izy ireo!
malagasy