Genesis 48:17 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Rehefa hitan’i Josefa fa teo amin’ny lohan’i Efraima ny rainy no nametraka ny tanany havanana dia tsy sitrany izany ka noraisiny ny tanan’ny rainy, mba hampiala azy amin’ny lohan’i Efraima ho amin’ny lohan’i Manase,
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nony hitan’i Josefa fa napetra-drainy tamin’ny lohan’i Efraima ny tanany havanana, dia tsy sitrany izany, ka nalainy ny tanan-drainy hesoriny eo ambonin’ny lohan’i Efraima hatao eo amin’ny an’i Manase.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Hitan’i Jôsefa fa napetraky ny rainy teo amin’ny lohan’i Efraîma ny tanany havanana ka tsy sitrany izany. Dia noraisiny ny tanan-drainy mba hampiala azy amin’ny lohan’i Efraîma hankeo amin’ny lohan’i Manase;
Malagasy Bible 1865
Ary rehefa hitan'i Josefa fa ny rainy nametraka ny tànany ankavanana teo amin'ny lohan'i Efraima, dia tsy sitrany izany; ka noraisiny ny tanan'ny rainy, mba hampiala azy amin'ny lohan'i Efraima ho amin'ny lohan'i Manase,
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Rehefa hitan’i Josefa fa teo amin’ny lohan’i Efraima ny rainy no nametraka ny tanany havanana dia tsy sitrany izany ka noraisiny ny tanan’ny rainy, mba hampiala azy amin’ny lohan’i Efraima ho amin’ny lohan’i Manase,
malagasy