Genesis 48:20 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia nitsodrano azy ireo izy tamin’io andro io ka niteny hoe: Ny anaranareo no hoentin’ny Israely hitsofana rano, hoe: Hataon’Andriamanitra tahaka an’i Efraima sy tahaka an’i Manase anie ianao! Koa i Efraima no nataony alohan’i Manase.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Dia nitso-drano azy ireo izy, tamin’izany andro izany, ka nanao hoe: «Aminao no hitsofan’i Israely rano, hoe: ‹Hataon’Andriamanitra tahaka an’i Efraima sy i Manase anie ianao.› » Toy izany no nanaovany an’i Efraima ho alohan’i Manase.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Tamin’izany andro izany dia nitsodrano azy mirahalahy i Jakôba ka niteny toy izao: –Ny anaranareo no hitsofan’ny Israelita rano ka hilazany hoe: «Tahaka ny nataon’Andriamanitra tamin’i Efraîma sy i Manase anie no hataony aminao!» Araka izany, dia napetrak’i Jakôba alohan’i Manase i Efraîma.
Malagasy Bible 1865
Dia nitso-drano azy tamin'izany andro izany izy ka nanao hoe: Hianao no hitsofan'ny Isiraely rano hoe: Hataon'Andriamanitra tahaka an'i Efraima sy tahaka an'i Manase anie ianao. Ary Efraima no nataony alohan'i Manase.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia nitsodrano azy ireo izy tamin’io andro io ka niteny hoe: Ny anaranareo no hoentin’ny Israely hitsofana rano, hoe: Hataon’Andriamanitra tahaka an’i Efraima sy tahaka an’i Manase anie ianao! Koa i Efraima no nataony alohan’i Manase.
malagasy