Genesis 48:4 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Indro, hahamaro ny taranakao Aho, hampitombo anao sy hahatonga anao ho firenena maro ary homeko ny taranakao mandimby anao ity tany ity ho lovany mandrakizay.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
«Andriamanitra mahefa ny zavatra rehetra dia efa niseho tamiko tany Loza, any amin’ny tany Kanaana ary nitso-drano ahy, nanao hoe: ‹Hahamaro anaka anao, hampitombo anao Aho, hahatonga anao ho firenena maro Aho, ary homeko ny taranakao mandimby anao ity tany ity, hananany azy mandrakizay.›
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
sady niteny tamiko hoe: «Indro Aho hahamaro anaka anao sady hampitombo anao, hahatonga anao ho vondrom-pirenena; ka homeko ny taranakao mandimby anao ho lova raikitra ity tany ity.»
Malagasy Bible 1865
Indro, Izaho hahamaro ny taranakao, dia hampitombo anao sy hanao anao ho firenena maro; dia homeko ny taranakao mandimby anao ity tany ity ho lovany mandrakizay.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Indro, hahamaro ny taranakao Aho, hampitombo anao sy hahatonga anao ho firenena maro ary homeko ny taranakao mandimby anao ity tany ity ho lovany mandrakizay.
malagasy
Indro, Izaho hahamaro ny taranakao, dia hampitombo anao sy hanao anao ho firenena maro; dia homeko ny taranakao mandimby anao ity tany ity ho lovany mandrakizay.