Genesis 48:5 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ankehitriny, ny zanakao mirahalahy, izay naterakao tatỳ amin’ny tany Ejipta fony tsy mbola tonga tatỳ aminao teto Ejipta aho, dia ho Ahy: Eny, ho Ahy i Efraima sy i Manase, tahaka an’i Robena sy i Simeona.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Koa ankehitriny, ny zanakao roa lahy izay naterakao tatỳ Ejipta, talohan’ny nahatongavako aty aminao teto Ejipta, dia ho ahy; ho ahy, tahaka an-dRobena sy i Simeôna koa i Efraima sy i Manase,
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Hoy izy nanampy izany: –Koa ankehitriny, ireo zanakao roa lahy, teraka teto Ejipta talohan’ny nahatongavako taty aminao, dia raisiko ho zanako. Eny, ho zanako mitovy amin’i Reobena sy i Simehôna mihitsy i Manase sy i Efraîma.
Malagasy Bible 1865
Ary ankehitriny, ny zanakao mirahalahy, izay efa naterakao tatỳ amin'ny tany Egypta, fony tsy mbola tonga tatỳ aminao eto Egypta aho, dia ho ahy ireo: eny, Efraima sy Mariase dia ho ahy, tahaka an'i Robena sy Simeona.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ankehitriny, ny zanakao mirahalahy, izay naterakao tatỳ amin’ny tany Ejipta fony tsy mbola tonga tatỳ aminao teto Ejipta aho, dia ho Ahy: Eny, ho Ahy i Efraima sy i Manase, tahaka an’i Robena sy i Simeona.
malagasy