Genesis 48:6 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Fa ny zanakao izay haterakao aorianan’izy mirahalahy kosa dia ho anao ary ny anarany dia hatao amin’ny anaran’ny rahalahiny eo amin’ny zarataniny.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
fa ny zanakao izay naterakao taorian’ireo dia ho anao; ary amin’ny anaran’ireo rahalahiny ihany no hiantsoana azy raha ny amin’ny anjara lovany.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Fa ireo zanakao lahy izay ho teraka aorian’ireo kosa dia ho anao ihany. Ao amin’ny faritanin’ireo zokiny ihany no handraisan’izy roa lahy ny anjara lovany.
Malagasy Bible 1865
Fa ny zanakao izay haterakao aorian'izy mirahalahy dia ho anao kosa, ary ny anarany hatao araka ny an'ny rahalahiny eo amin'ny zara-taniny.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Fa ny zanakao izay haterakao aorianan’izy mirahalahy kosa dia ho anao ary ny anarany dia hatao amin’ny anaran’ny rahalahiny eo amin’ny zarataniny.
malagasy
Fa ny zanakao izay haterakao aorian'izy mirahalahy dia ho anao kosa, ary ny anarany hatao araka ny an'ny rahalahiny eo amin'ny zara-taniny.