Genesis 48:7 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Raha niala tany Padana-Arama aho dia maty teo anatrehako Rahely, tany amin’ny tany Kanana, teny an-dalana, rehefa kely foana no tsy nahatongavana tao Efrata ary teo amoron’ny lalana mankany Efrata na Betlehema no nandevenako azy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ary izaho fony niverina avy any Padàna dia maty teo anatrehako teny an-dalana i Rasela tany amin’ny tany Kanaana, efa mby lavitra akaiky an’i Efratà, ka dia naleviko teo, amin’ny lalana mankany Efratà, dia Betlehema izany.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Fony aho niverina avy any Mezôpôtamia ambony, talohan’ny hahatongavana tao Efratà, any amin’ny tany Kanahàna, dia maty teo anilako i Rahely ary naleviko teo amoron-dàlana; i Efratà dia antsoina hoe Betlehema ankehitriny.
Malagasy Bible 1865
Ary izaho, raha niala tany Mesopotamia aho, dia maty teo anatrehako Rahely tany amin'ny tany Kanana, tany an-dalana, rehefa kely foana no sisa tsy nahatongavana tao Efrata, ary nandevina azy aho teo amoron'ny lalana mankany Efrata (Betlehema izany).
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Raha niala tany Padana-Arama aho dia maty teo anatrehako Rahely, tany amin’ny tany Kanana, teny an-dalana, rehefa kely foana no tsy nahatongavana tao Efrata ary teo amoron’ny lalana mankany Efrata na Betlehema no nandevenako azy.
malagasy