Genesis 49:24 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
kanefa mateza hery ny tsipìkany ary mailamailaka ny sandriny, noho ny tanan’Ilay Maherin’i Jakoba, noho ny Mpiandry, izay Vatolampin’Israely,
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Mateza hery anefa ny tsipîkany. Tonga mailaka ny sandry aman-tanany, avy amin’ny tanan’ilay maherin’i Jakôba, ilay Mpiandry sy Vatolampin’i Israely.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Kanjo nateza mafy ny tsipîkan’i Jôsefa, ary kinga hatrany ny sandry aman-tanany. Noho ny fiarovan’ilay Andriamanitra maherin’i Jakôba, noho ny anaran’ilay Mpiandry izay vatolampy iankinan’i Israely,
Malagasy Bible 1865
Kanefa mateza hery ny tsipìkany, ary mailamailaka ny sandrin-tànany, avy amin'ny tànan'Ilay Maherin'i Jakoba, dia avy ao amin'ny Mpiandry, Izay Vatolampin'ny Isiraely,
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
kanefa mateza hery ny tsipìkany ary mailamailaka ny sandriny, noho ny tanan’Ilay Maherin’i Jakoba, noho ny Mpiandry, izay Vatolampin’Israely,
malagasy
Kanefa mateza hery ny tsipìkany, ary mailamailaka ny sandrin-tànany, avy amin'ny tànan'Ilay Maherin'i Jakoba, dia avy ao amin'ny Mpiandry, Izay Vatolampin'ny Isiraely,