Genesis 49:25 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
noho Andriamanitry ny rainao ka Izy no hamonjy anao; noho ny Tsitoha ka Izy no hitahy anao, dia fitahiana avy amin’ny lanitra any ambony sy fitahiana avy amin’ny lalina, izay mamitsaka any ambany, ary fitahiana avy amin’ny nono sy ny kibo.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Avy any amin’ny Andriamanitry ny rainao - hitahy anao anie Izy! Sy avy any amin’ilay mahefa ny zavatra rehetra - hanisy soa anao anie Izy! no hahazoanao ny tso-drano avy amin’ny lanitra ambony, ny tso-drano avy amin’ny hantsana lalina ambany ny tso-drano avy amin’ny nono aman-kibon-dreny,
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
amin’ny alalan’ilay Andriamanitry ny rainao izay mamonjy anao, amin’ny alalan’ilay Andriamanitra Tsitoha izay mitahy anao, raiso ny fitahiana avy amin’ny orana izay mirotsaka avy any an-danitra, raiso ny fitahiana avy amin’ny rano izay mihanaka ao amin’ny fanambanin’ny tany ary raiso ny fitahiana izay hahamaro anaka ny vehivavy sy ny biby fiompy.
Malagasy Bible 1865
Avy amin'ny Andriamanitry ny rainao, ka Izy hamonjy anao avy amin'ny Tsitoha, ka Izy hitahy anao: Dia fitahiana avy amin'ny lanitra any ambony, sy fitahiana avy amin'ny lalina, izay mamitsaka any ambany, ary fitahiana avy amin'ny nono sy ny kibo.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
noho Andriamanitry ny rainao ka Izy no hamonjy anao; noho ny Tsitoha ka Izy no hitahy anao, dia fitahiana avy amin’ny lanitra any ambony sy fitahiana avy amin’ny lalina, izay mamitsaka any ambany, ary fitahiana avy amin’ny nono sy ny kibo.
malagasy