Genesis 49:33 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Rehefa vitan’i Jakoba ny hafatra nataony tamin’ny zanany lahy rehetra dia navonkiny teo am-parafara ny tongony, dia niala aina izy ka nangonina any amin’ny razany.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nony avy nametraka ny didiny tamin’ireo zanany lahy i Jakôba, navonkiny teo am-parafara ny tongony dia niala aina izy, ka voaangona any amin’ny razany.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Rehefa vitan’i Jakôba ny hafatrafatra farany tamin’ireo zanany lahy, dia nandry teo am-parafara indray izy. Ary niala aina izy ka nakambana tamin’ny razany.
Malagasy Bible 1865
Ary rehefa vitan'i Jakoba ny hafatra nataony tamin'ny zananilahy rehetra, dia navonkiny teo am-parafara ny tongony, dia niala aina izy ka voangona any amin'ny razany.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Rehefa vitan’i Jakoba ny hafatra nataony tamin’ny zanany lahy rehetra dia navonkiny teo am-parafara ny tongony, dia niala aina izy ka nangonina any amin’ny razany.
malagasy
[Ny nahafatesan'i Jakoba sy ny nandevenana azy, ary ny nahafatesan'i Josefa] Ary rehefa vitan'i Jakoba ny hafatra nataony tamin'ny zananilahy rehetra, dia navonkiny teo am-parafara ny tongony, dia niala aina izy ka voangona any amin'ny razany.