Genesis 49:6 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
tsy hiditra amin’izay fiokoany aho ary tsy hiray amin’izay fivoriany! Satria tamin’ny fahatezerany no namonoany olona ary tamin’ny fahasahisahiany no nanatraingoany omby.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Aza miditra amin’ny fivoriany fakan-kevitra ny fanahiko, Fa nanao vonoana olona tamin’ny fahatezerana izy, ary nahatraingo ombalahy tamin’ny fisafoahany.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
kanefa tsy te handray anjara amin’ny fiokoany aho ary tsy te hanatrika ny fivoriany, satria nentanim-pahatezerana izy ka namono olona ho faty ary tia setrasetra ka nitraingo ombilahy.
Malagasy Bible 1865
Aza mankeo amin'izay iokoany, ry foko, ary aza miray amin'ny fiangonany. ry fanahiko; fa tamin'ny fahatezerany no namonoany olona, ary tamin'ny fahasahisahiany no nanatraingoany omby.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
tsy hiditra amin’izay fiokoany aho ary tsy hiray amin’izay fivoriany! Satria tamin’ny fahatezerany no namonoany olona ary tamin’ny fahasahisahiany no nanatraingoany omby.
malagasy
Aza mankeo amin'izay iokoany, ry foko, ary aza miray amin'ny fiangonany. ry fanahiko; fa tamin'ny fahatezerany no namonoany olona, ary tamin'ny fahasahisahiany no nanatraingoany omby.