Genesis 50:10 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Rehefa tonga teo Gorena-Atada izay any andafin’ny Jordana izy ireo dia nanao fisaonana lehibe sy mafy indrindra teo. Nisaona ny rainy hafitoana i Josefa.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nony tonga teo am-pamoloan’i Atada ao andafin’i Jordany izy ireo dia nitomany amam-pigogogogoana mafy, fa nanokana hafitoana hanaovana fisaonana ho voninahitry ny rainy i Josefa.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Tonga tao Gôrena-Atàda, any am-pitan’i Jôrdàna izy ireo. Tao no nankalazany tamin’ny fomba manetriketrika sy manohina tokoa ny famoizana an’i Jakôba, fa naharitra fito andro ny fisaonan’i Jôsefa an-drainy.
Malagasy Bible 1865
Ary rehefa tonga teo Goren'atada izy, izay ao an-dafin'i Jordana, dia nanao fisaonana lehibe sy mafy indrindra teo izy; dia nisaona an-drainy hafitoana Josefa.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Rehefa tonga teo Gorena-Atada izay any andafin’ny Jordana izy ireo dia nanao fisaonana lehibe sy mafy indrindra teo. Nisaona ny rainy hafitoana i Josefa.
malagasy
Ary rehefa tonga teo Goren'atada izy, izay ao an-dafin'i Jordana, dia nanao fisaonana lehibe sy mafy indrindra teo izy; dia nisaona an-drainy hafitoana Josefa.