Genesis 50:15 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Rehefa hitan’ny rahalahin’i Josefa fa maty ny rainy dia hoy izy ireo: Sao dia hankahala antsika i Josefa ka hamaly antsika tokoa noho ny ratsy rehetra nataontsika taminy!
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Rehefa hitan’ireo rahalahin’i Josefa fa maty i rainy dia hoy izy: «Sao dia anaovan’i Josefa fo lentika isika, ka valiany amin’izao ny ratsy rehetra nataontsika taminy.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Rehefa hitan’ireo rahalahin’i Jôsefa fa maty ny rainy, dia nifampiresaka izy hoe: «Mety hankahala antsika i Jôsefa ka hamaly faty ireo ratsy nataontsika taminy.»
Malagasy Bible 1865
Ary rehefa hitan'ny rahalahin'i Josefa fa maty ny rainy, dia hoy izy: Andrao hanao fo-lentika amintsika Josefa ka hamaly antsika tokoa noho izay ratsy rehetra nataontsika taminy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Rehefa hitan’ny rahalahin’i Josefa fa maty ny rainy dia hoy izy ireo: Sao dia hankahala antsika i Josefa ka hamaly antsika tokoa noho ny ratsy rehetra nataontsika taminy!
malagasy
Ary rehefa hitan'ny rahalahin'i Josefa fa maty ny rainy, dia hoy izy: Andrao hanao fo-lentika amintsika Josefa ka hamaly antsika tokoa noho izay ratsy rehetra nataontsika taminy.