Genesis 50:17 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
hoe: Izao no holazainareo amin’i Josefa: Mamelà re ny fahadisoan’ny rahalahinao sy ny fahotany fa nanao ratsy taminao izy! Eny, mamelà ankehitriny ny fahadisoan’ny mpanompon’ny Andriamanitry ny rainao! Nitomany i Josefa rehefa niteny izany taminy izy ireo.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
nanao hoe: ‹Izao no holazainareo amin’i Josefa: Avelao lahy ny heloka amam-pahotan’ireo rahalahinao, fa nahavita ratsy taminao izy. Nefa mifona aminao aho ankehitriny, avelao re ny heloky ny mpanompon’ny Andriamanitry ny rainao.› » Nitomany i Josefa nandre izany teny izany.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
«Izao no holazainareo amin’i Jôsefa: Mamindrà fo ka avelao ny heloka amam-pahotàn’ireo rahalahinao fa ratsy no nataony taminao.» Koa ankehitriny mba avelao ny helokay mpanompon’Ilay Andriamanitry ny rainao. Dia nitomany i Jôsefa noho ny teny nalefan’izy ireo taminy.
Malagasy Bible 1865
ka nanao hoe: Izao no holazainareo amin'i Josefa: Mamela re ny fahadisoan'ny rahalahinao sy ny fahotany, fa efa nanao ratsy taminao izy; eny, mamela ankehitriny ny fahadisoan'ny mpanompon'ny Andriamanitry ny rainao. Dia nitomany Josefa, raha niteny taminy izy ireo.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
hoe: Izao no holazainareo amin’i Josefa: Mamelà re ny fahadisoan’ny rahalahinao sy ny fahotany fa nanao ratsy taminao izy! Eny, mamelà ankehitriny ny fahadisoan’ny mpanompon’ny Andriamanitry ny rainao! Nitomany i Josefa rehefa niteny izany taminy izy ireo.
malagasy