Genesis 50:2 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Avy eo dia nasain’i Josefa nanosotra zava-manitra ny rainy ireo mpitsabo mpanompony; dia nanosotra zava-manitra an’Israely ireo mpitsabo.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ary nomeny teny ny mpanao fanafody manompo azy, hanosotra zava-manitra an-drainy, ka dia nanosotra an’i Israely ny mpanao fanafody.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ary nomen’i Jôsefa baiko ireo dokotera mpanompony mba hanosotra zava-manitra ny rainy; koa notanterahin’ireo ny fanosorana menaka manitra ny fatin’i Jakôba,
Malagasy Bible 1865
Ary nasain'i Josefa nanosotra zava-manitra an-drainy ny mpanompony izay mpanao fanafody; dia nanosotra an'Isiraely ny mpanao fanafody.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Avy eo dia nasain’i Josefa nanosotra zava-manitra ny rainy ireo mpitsabo mpanompony; dia nanosotra zava-manitra an’Israely ireo mpitsabo.
malagasy
Ary nasain'i Josefa nanosotra zava-manitra an-drainy ny mpanompony izay mpanao fanafody; dia nanosotra an'Isiraely ny mpanao fanafody.