Genesis 50:21 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ankehitriny, aza matahotra ianareo, fa izaho no hiantoka anareo sy ny zanakareo madinika. Dia nampionona azy sy nilaza teny malefaka taminy izy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Koa aza manan-tahotra akory, fa hamelona anareo, na ny tenanareo na ny zanakareo, aho.» Toy izany no nampiononany azy tamin’ny teny mankamin’ny fon’izy ireo.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Koa aza matahotra ianareo, fa izaho no hiahy ny sakafo ho anareo sy ny ankohonanareo. Ary nampahery azy i Jôsefa sady nanao teny nanohina ny fony.
Malagasy Bible 1865
Koa ankehitriny, aza matahotra ianareo; fa izaho hamelona anareo sy ny zanakareo madinika. Dia nampionona azy sy nanao teny malefaka nahafinaritra azy izy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ankehitriny, aza matahotra ianareo, fa izaho no hiantoka anareo sy ny zanakareo madinika. Dia nampionona azy sy nilaza teny malefaka taminy izy.
malagasy
Koa ankehitriny, aza matahotra ianareo; fa izaho hamelona anareo sy ny zanakareo madinika. Dia nampionona azy sy nanao teny malefaka nahafinaritra azy izy.