Genesis 50:24 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary hoy i Josefa tamin’ny rahalahiny: Ho faty aho nefa hamangy anareo tokoa Andriamanitra ka hitondra anareo hiala amin’ity tany ity ho any amin’ny tany izay nianianany tamin’i Abrahama sy Isaka ary i Jakoba mba homena azy ireo.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ary hoy i Josefa tamin’ireo rahalahiny: «Izaho ity ho faty; nefa Andriamanitra kosa dia hamangy anareo tokoa sy hampiakatra anareo avy amin’ity tany ity ho any amin’ny tany nianianany homena an’i Abrahama sy i Isaaka ary i Jakôba.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Indray andro dia hoy i Jôsefa tamin’ireo rahalahiny: –Ho faty aho, nefa hamangy anareo tokoa Andriamanitra ka hampiala anareo amin’ity tany ity ho any amin’ny tany izay efa nianianany homena an’i Abrahama sy i Itsehàka ary i Jakôba.
Malagasy Bible 1865
Ary hoy Josefa tamin'ny rahalahiny: Ho faty aho; nefa Andriamanitra hamangy anareo tokoa ka hitondra anareo hiala amin'ity tany ity ho any amin'ny tany izay nianianany tamin'i Abrahama sy Isaka ary Jakoba homena azy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary hoy i Josefa tamin’ny rahalahiny: Ho faty aho nefa hamangy anareo tokoa Andriamanitra ka hitondra anareo hiala amin’ity tany ity ho any amin’ny tany izay nianianany tamin’i Abrahama sy Isaka ary i Jakoba mba homena azy ireo.
malagasy