Genesis 50:25 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary nampianiana ny zanak’Israely i Josefa ka niteny hoe: Hamangy anareo tokoa Andriamanitra ka hitondra ny taolako hiala eto ianareo.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Dia nasain’i Josefa nianiana koa ireo zanak’i Israely, nataony hoe: «Hamangy anareo tokoa Andriamanitra ka hoentinareo miakatra hiala atỳ ny taolako.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Koa mianiàna amiko fa rehefa hamangy anareo tokoa Andriamanitra, dia hoentinareo miakatra avy atỳ ny taolam-baloko.
Malagasy Bible 1865
Ary Josefa dia nampianiana ny zanak'Isiraely ka nanao hoe: Hamangy anareo tokoa Andriamanitra, dia hitondra ny taolako hiala eto ianareo.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary nampianiana ny zanak’Israely i Josefa ka niteny hoe: Hamangy anareo tokoa Andriamanitra ka hitondra ny taolako hiala eto ianareo.
malagasy
Ary Josefa dia nampianiana ny zanak'Isiraely ka nanao hoe: Hamangy anareo tokoa Andriamanitra, dia hitondra ny taolako hiala eto ianareo.Dia maty Josefa, rehefa folo amby zato taona; ary dia nohosorany zava-manitra izy ka napetrany tao anatin'ny vata tany Egypta.