Genesis 50:3 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Naharitra efapolo andro izany, fa izany no isan’ny andro fanosoram-paty. Ary nisaona azy fitopolo andro ny Ejiptiana.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Efapolo andro no nanaovan’ireo an’izany, fa izany no fetr’andro fanosoram-paty. Ary fitopolo andro no nisaonan’ny Ejiptianina azy.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
nandritra ny efapolo andro ngarangidina mba hitahirizana azy. Ary nisaona an’i Jakôba nandritra ny fitopolo andro ny Ejiptianina.
Malagasy Bible 1865
Ary notanterahiny taminy ny efa-polo andro, fa izany no isan'ny andro nanosoram-paty; ary ny Egyptiana nisaona azy fito-polo andro.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Naharitra efapolo andro izany, fa izany no isan’ny andro fanosoram-paty. Ary nisaona azy fitopolo andro ny Ejiptiana.
malagasy
Ary notanterahiny taminy ny efa-polo andro, fa izany no isan'ny andro nanosoram-paty; ary ny Egyptiana nisaona azy fito-polo andro.