Genesis 6:4 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Tamin’izany andro izany, sy taorianan’izany koa, rehefa nivady tamin’ireo zanakavavin’ny olona ireo zanak’Andriamanitra dia niteraka taminy ka nisy ireo Nefilima tetỳ ambonin’ny tany; ireo no olo-mahery hatrizay ela izay, dia ireo lehilahy nanan-daza.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ary tamin’izany andro izany dia nisy ny Rapeton’olona teto ambonin’ny tany, dia rehefa nankamin’ny zanaka vavin’ny olombelona ny zanak’Andriamanitra, sy efa nahary zaza taminy. Ary ireny no olo-mahery nalaza hatrizay ela izay.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Tamin’izany fotoana izany no nisian’ireo rapeton’olona goavambe teto an-tany, ary mbola nisy koa aza tonga taty aoriana izay teraka avy tamin’ny fifanambadian’ireo zanakalahin’andriamanitra sy ny zanakavavin’ny olombelona. Izy ireny no olo-mahery sady lehilahy nanan-daza fahagola.
Malagasy Bible 1865
Ny Nefilima nitoetra tambonin'ny tany tamin'izany andro izany, sy taorian'izany koa, raha nivady tamin'ny zanakavavin'ny olona ny zanak'Andriamanitra, ka niterahany; ireo no ilay olo-mahery hatrizay ela izay, dia ny lehilahy nanan-daza.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Tamin’izany andro izany, sy taorianan’izany koa, rehefa nivady tamin’ireo zanakavavin’ny olona ireo zanak’Andriamanitra dia niteraka taminy ka nisy ireo Nefilima tetỳ ambonin’ny tany; ireo no olo-mahery hatrizay ela izay, dia ireo lehilahy nanan-daza.
malagasy