Genesis 7:1 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary hoy NY TOMPO tamin’i Noa: Midira ao anatin’ny sambofiara ianao mbamin’ny ankohonanao rehetra, satria ianao no hitako fa marina eo anatrehako amin’ity taranaka ity.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Hoy i Iaveh tamin’i Nôe: «Midira ao an-tsambo fiara ianao sy ny ankohonanao rehetra, fa amin’izao olona miara-belona aminao izao, dia ianao no hitako ho olo-marina eo anatrehako.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Hoy ny TOMPO tamin’i Noà: –Midira ao anatin’ny sambofiara ianao sy ny ankohonanao, satria ianao irery no hitako fa marina teo anatrehako tamin’izao taranaka izao.
Malagasy Bible 1865
Ary hoy Jehovah tamin'i Noa: Midira ao anatin'ny sambo-fiara ianao mbamin'ny ankohonanao rehetra, satria ianao no hitako fa marina eo anatrehako amin'izao olona miara-belona aminao izao.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary hoy NY TOMPO tamin’i Noa: Midira ao anatin’ny sambofiara ianao mbamin’ny ankohonanao rehetra, satria ianao no hitako fa marina eo anatrehako amin’ity taranaka ity.
malagasy
Ary hoy Jehovah tamin'i Noa: Midira ao anatin'ny sambo-fiara ianao mbamin'ny ankohonanao rehetra, satria ianao no hitako fa marina eo anatrehako amin'izao olona miara-belona aminao izao.