Genesis 7:11 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Tamin’ny andro fahafito amby folo tamin’ny volana faharoa tamin’ny faheninjato taona niainan’i Noa, tamin’izany andro izany dia vaky ny loharano rehetra tamin’ny lalina lehibe ary nivoha ireo varavaran’ny lanitra.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Tamin’ny taona fahenin-jato niainan’i Nôe, tamin’ny volana faharoa, andro fahafito ambin’ny folo dia nipoitra ny loharano rehetra avy any amin’ny hantsana lehibe, nivoha ny vavahadin-dranon’ny lanitra,
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Iny faha-600 taona niainan’i Noà iny, tamin’ny volana faharoa, andro faha-17, dia niboiboika be ny rano avy any ambanin’ny tany tamin’ireo loharano rehetra, ary nivoha nidanadana ny varavaran’ny lanitra.
Malagasy Bible 1865
Tamin'ny andro fahafito ambin'ny folo tamin'ny volana faharoa tamin'ny fahenin-jato taona niainan'i Noa, tamin'izany andro izany dia nipoitra ny loharano rehetra amin'ny lalina lehibe, ary nivoha ny varavaran'ny lanitra.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Tamin’ny andro fahafito amby folo tamin’ny volana faharoa tamin’ny faheninjato taona niainan’i Noa, tamin’izany andro izany dia vaky ny loharano rehetra tamin’ny lalina* lehibe ary nivoha ireo varavaran’ny lanitra.
malagasy
Tamin'ny andro fahafito ambin'ny folo tamin'ny volana faharoa tamin'ny fahenin-jato taona niainan'i Noa, tamin'izany andro izany dia nipoitra ny loharano rehetra amin'ny lalina lehibe, ary nivoha ny varavaran'ny lanitra.