Genesis 7:16 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Izay niditra tao dia lahy sy vavy, avy tamin’ny nofo rehetra, araka ny nandidian’Andriamanitra an’i Noa. Dia narindrin’NY TOMPO tao izy ireo.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Lahy sy vavy, avy amin’ny nofo rehetra no tonga izy araka ny nandidian’Andriamanitra an’i Nôe. Dia narindrin’i Iaveh teo ivohony ny varavarana.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Lahy sy vavy tamin’ireo zava-mananaina rehetra ireo no niditra tao, araka izay efa nandidian’Andriamanitra an’i Noà. Avy eo dia nohidin’ny TOMPO ny varavarana.
Malagasy Bible 1865
Ary izay niditra tao dia lahy sy vavy, avy tamin'ny nofo rehetra, araka izay nandidian'Andriamanitra an'i Noa; ary narindrin'i Jehovah tao izy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Izay niditra tao dia lahy sy vavy, avy tamin’ny nofo rehetra, araka ny nandidian’Andriamanitra an’i Noa. Dia narindrin’NY TOMPO tao izy ireo.
malagasy
Ary izay niditra tao dia lahy sy vavy, avy tamin'ny nofo rehetra, araka izay nandidian'Andriamanitra an'i Noa; ary narindrin'i Jehovah tao izy.