Genesis 7:23 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Naringana ny mananaina rehetra izay tetỳ ambonin’ny tany, hatramin’ny olona ka hatramin’ny biby fiompy sy ny zava-mandady na mikisaka ary ny voromanidina; naringana tsy ho amin’ny tany ireny. Fa i Noa sy izay niara-nitoetra taminy tao anatin’ny sambofiara ihany no sisa velona.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ringana avokoa rehefa mety ho zavatra tambonin’ny tany, hatramin’ny olombelona ka hatramin’ny biby fiompy sy ny zava-mikisaka mbamin’ny vorona eny amin’ny habakabaka; levona tsy nisy teto an-tany intsony izany; fa i Nôe sy ireo niara-nitoetra taminy tao an-tsambo fiara ihany no sisa.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Dia nofoanan’Andriamanitra ny zava-mananaina rehetra teny ambonin’ny tany, nanomboka tamin’ny olona ka hatramin’ny biby lehibe sy kely mbamin’ny voro-manidina; dia nofoanan’Andriamanitra tsy ho amin’ny tany ireny, fa i Noà irery ihany mbamin’izay niaraka taminy tao anatin’ny sambofiara no sisa tavela.
Malagasy Bible 1865
Ary naringana ny zavatra velona rehetra izay tambonin'ny tany, hatramin'ny olona ka hatramin'ny biby fiompy sy ny zava-mandady na mikisaka ary ny voro-manidina; dia naringana tsy ho amin'ny tany ireny; ary Noa sy izay niara-nitoetra taminy tao anatin'ny sambo-fiara ihany no sisa velona.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Naringana ny mananaina rehetra izay tetỳ ambonin’ny tany, hatramin’ny olona ka hatramin’ny biby fiompy sy ny zava-mandady na mikisaka ary ny voromanidina; naringana tsy ho amin’ny tany ireny. Fa i Noa sy izay niara-nitoetra taminy tao anatin’ny sambofiara ihany no sisa velona.
malagasy
Ary naringana ny zavatra velona rehetra izay tambonin'ny tany, hatramin'ny olona ka hatramin'ny biby fiompy sy ny zava-mandady na mikisaka ary ny voro-manidina; dia naringana tsy ho amin'ny tany ireny; ary Noa sy izay niara-nitoetra taminy tao anatin'ny sambo-fiara ihany no sisa velona.Ary nahery tambonin'ny tany dimam-polo amby zato andro ny rano.