Genesis 7:4 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Fa raha afaka hafitoana, Izaho hampilatsaka ranonorana ambonin’ny tany efapolo andro sy efapolo alina; ary ny mananaina rehetra izay nataoko dia haringako tsy ho ambonin’ny tany.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Fa fito andro sisa dia handatsaka ranonorana amin’ny tany Aho, mandritra ny efapolo andro sy efapolo alina; ka hofongorako eo ambonin’ny tany ny zavatra rehetra nataoko.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Fa herinandro sisa dia hampilatsaka ranonorana mandritra ny efapolo andro sy efapolo alina amin’ny tany Aho, ka hofoanako eo amin’ny velaran’ny tany ireo zava-mananaina rehetra nataoko.
Malagasy Bible 1865
Fa raha afaka hafitoana, Izaho handatsaka ranonorana ambonin'ny tany efa-polo andro sy efa-polo alina; ary ny zavatra velona rehetra izay, nataoko dia haringako tsy ho ambonin'ny tany.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Fa raha afaka hafitoana, Izaho hampilatsaka ranonorana ambonin’ny tany efapolo andro sy efapolo alina; ary ny mananaina rehetra izay nataoko dia haringako tsy ho ambonin’ny tany.
malagasy
Fa raha afaka hafitoana, Izaho handatsaka ranonorana ambonin'ny tany efa-polo andro sy efa-polo alina; ary ny zavatra velona rehetra izay, nataoko dia haringako tsy ho ambonin'ny tany.