Genesis 8:13 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Tamin’ny andro voalohany tamin’ny volana voalohany tamin’ny taona fahiraika sy eninjato dia ritra ny rano teny ambonin’ny tany. Ary nanaisotra ny tafon’ny sambofiara i Noa ka nijery ary indro, efa maina ny tany.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Tamin’ny taona faharaika amby enin-jato, tamin’ny volana voalohany, andro voalohan’ny volana, dia ritra ny rano teo ambonin’ny tany. Nesorin’i Nôe ny tafon’ny sambo fiara, dia nijery izy, ka hitany fa efa maina ny vohon’ny tany.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Fa tamin’ny andro voalohan’ny volana voalohany, nony feno 601 taona i Noà, dia ritra ny rano teo ambonin’ny tany. Nesorin’i Noà ny tafon’ny sambofiara ka hitany fa efa maina ny velaran’ny tany.
Malagasy Bible 1865
Ary tamin'ny andro voalohany tamin'ny volana voalohany tamin'ny taona fahiraika amby enin-jato, dia ritra ny rano teo ambonin'ny tany; ary nanaisotra ny tafon'ny sambo-fiara Noa ka nijery, ary, indro, efa maina ny tany.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Tamin’ny andro voalohany tamin’ny volana voalohany tamin’ny taona fahiraika sy eninjato dia ritra ny rano teny ambonin’ny tany. Ary nanaisotra ny tafon’ny sambofiara i Noa ka nijery ary indro, efa maina ny tany.
malagasy
[Ny nivoahan'i Noa avy tao amin'ny sambo-fiara sy ny nanaovan'Andriamanitra fanekena taminy] Ary tamin'ny andro voalohany tamin'ny volana voalohany tamin'ny taona fahiraika amby enin-jato, dia ritra ny rano teo ambonin'ny tany; ary nanaisotra ny tafon'ny sambo-fiara Noa ka nijery, ary, indro, efa maina ny tany.