Genesis 8:21 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia nandre ny hanitra ankasitrahana NY TOMPO ka hoy Izy tao am-pony: Tsy mba hanozona ny tany intsony noho ny amin’ny olona Aho; fa izay foronin’ny fon’ny olona dia ratsy hatramin’ny fahazazany; ary tsy mba handringana ny velona rehetra intsony tahaka izay nataoko teo Aho.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Dia nandre hanitra mahafinaritra i Iaveh, ka i Iaveh nanao anakampo hoe: «Tsy hanozona intsony ny tany Aho noho ny olona; fa ratsy hatramin’ny fahatanorany ny fisainan’ny fon’ny olombelona; ary tsy mba hamono ny zavatra manana aina rehetra toy izay nataoko izay intsony Aho.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ary nony ren’ny TOMPO ilay hanitra ankasitrahiny, dia hoy IZY anakampo hoe: «Tsy mba hanozona ny tany intsony Aho noho ny amin’ny olombelona. Eny, manomboka amin’ny fahatanorany, dia mirona ho amin’ny ratsy ny fon’ny olombelona; koa tsy hamely ny miaina rehetra intsony toy izay nataoko Aho.
Malagasy Bible 1865
Dia nandre ny hanitra ankasitrahana Jehovah, ka hoy Izy tam-pony: Tsy mba hanozona ny tany intsony noho ny amin'ny olona Aho; fa ny fisainan'ny fon'ny olona dia ratsy hatramin'ny fahazazany; ary tsy mba handringana ny velona rehetra intsony Aho tahaka izay nataoko.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia nandre ny hanitra ankasitrahana NY TOMPO ka hoy Izy tao am-pony: Tsy mba hanozona ny tany intsony noho ny amin’ny olona Aho; fa izay foronin’ny fon’ny olona dia ratsy hatramin’ny fahazazany; ary tsy mba handringana ny velona rehetra intsony tahaka izay nataoko teo Aho.
malagasy
Dia nandre ny hanitra ankasitrahana Jehovah, ka hoy Izy tam-pony: Tsy mba hanozona ny tany intsony noho ny amin'ny olona Aho; fa ny fisainan'ny fon'ny olona dia ratsy hatramin'ny fahazazany; ary tsy mba handringana ny velona rehetra intsony Aho tahaka izay nataoko.Raha mbola maharitra koa ny tany, dia tsy hanam-pitsaharana ny taom-pamafazana sy ny taom-pijinjana, ary ny hatsiaka sy ny hafanana ary ny fahavaratra sy ny ririnina,ary ny andro sy ny alina.