Genesis 8:9 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Nefa tsy hitan’ilay voromailala izay hipetrahan’ny faladiany ka niverina tany amin’i Noa tao anatin’ny sambofiara izy satria mbola nisy rano teo ambonin’ny tany manontolo. Ary nanatsotra ny tanany i Noa ka nandray azy izy ary nampiditra azy ho ao aminy tao anatin’ny sambofiara.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Tsy nahita izay hipetrahan’ny faladiany anefa ny voromahailala, ka niverina nankeo amin’i Nôe teo amin’ny sambo fiara, fa mbola nisy rano hatraiza hatraiza tambonin’ny tany. Dia naninjitra ny tanany izy ka nandray azy sy nampiditra azy ho ao aminy, ao anatin’ny sambo fiara.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Kanefa tsy nahita izay hametrahany ny tongony ilay voromahailala, ka niverina tany amin’i Noà teny an-tsambofiara, satria mbola feno rano tambonin’ny tany tontolo. Dia naninjitra ny tanany i Noà ka nandray ilay voromahailala ary nampiditra azy tao anaty sambofiara.
Malagasy Bible 1865
Fa tsy hitan'ilay voromailala izay hipetrahan'ny faladiany, dia niverina tamin'i Noa tao anatin'ny sambo-fiara izy, satria mbola nisy rano tambonin'ny tany rehetra; ary Noa naninjitra ny tànany ka nandray sy nampiditra azy ho ao aminy tao anatin'ny sambo-fiara.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Nefa tsy hitan’ilay voromailala izay hipetrahan’ny faladiany ka niverina tany amin’i Noa tao anatin’ny sambofiara izy satria mbola nisy rano teo ambonin’ny tany manontolo. Ary nanatsotra ny tanany i Noa ka nandray azy izy ary nampiditra azy ho ao aminy tao anatin’ny sambofiara.
malagasy