Genesis 9:23 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Fa naka lamba i Sema sy i Jafeta ka noentin’izy mirahalahy teo an-tsorony io, ary nanao dia mianòtra izy ka nandrakotra ny fitanjahan’ny rainy; ary ny tavany dia tsy nanatrika ka tsy hitany ny fitanjahan’ny rainy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Fa noraisin’i Sema sy i Jafeta kosa ny lamba, nasampiny tamin’ny sorony, dia nanao dia mianòtra izy, ka nandrakotra ny fitanjahan-drainy.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Nalain’i Sema sy i Jafeta ny lamba ka nentiny an-tsoroka, ary nanao dia mianòtra izy mirahalahy ka nandrakotra ny fitanjahan-drainy. Fa nitodika nijery tany an-kafa ireo ka tsy nahita ny fitanjahan-drainy.
Malagasy Bible 1865
Ary nalain'i Sema sy Jafeta ny lamba ka nentin'izy mirahalahy teo an-tsorony, dia nanao dia mianotra izy ka nandrakotra ny fitanjahan'ny rainy; ary ny tavany tsy nanatrika, ka dia tsy hitany ny fitanjahan'ny rainy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Fa naka lamba i Sema sy i Jafeta ka noentin’izy mirahalahy teo an-tsorony io, ary nanao dia mianòtra izy ka nandrakotra ny fitanjahan’ny rainy; ary ny tavany dia tsy nanatrika ka tsy hitany ny fitanjahan’ny rainy.
malagasy