Genesis 9:5 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Fa hampamoahiko kosa ny ranareo satria ainareo izany; eo amin’ny tanan’ny mananaina rehetra no hampamoahako azy; ary eo amin’ny tanan’ny olona, dia eo amin’ny tanan’ny olona tsirairay, no hampamoahiko ny ain’ny olona.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ary ny ranareo dia hasaiko hampamoaka noho ny ainareo, hampamoahiko izany avokoa ny biby rehetra; ny tanan’olombelona izay mpirahalahy, no hampamoahiko ny ain’ny olombelona.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ary ny ranareo koa, izay ainareo, dia hadiniko amin’ny biby izay namono olona ho faty tahaka ny hanadinako ny olona namono ho faty ny olona toa azy. Eny, hadiniko ny momba ny ain’ny olona:
Malagasy Bible 1865
Fa ny ranareo kosa dia hadiniko, satria ainareo izany; eo amin'ny tanan'ny manan'aina rehetra no hanadinako azy; ary eo amin'ny tanan'ny olona, dia eo amin'ny tanan'ny olona avy, no hanadinako ny ain'ny olona.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Fa hampamoahiko kosa ny ranareo satria ainareo izany; eo amin’ny tanan’ny mananaina rehetra no hampamoahako azy; ary eo amin’ny tanan’ny olona, dia eo amin’ny tanan’ny olona tsirairay, no hampamoahiko ny ain’ny olona.
malagasy