Habakkuk 1:10 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Manakora ny mpanjaka izy ary ihomehezany ny mpanapaka eo aminy. Ny tanàna mimanda rehetra dia ihomehezany ka manandratra tovon-tany izy ary mahafaka izany.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Izy io dia mihomehy izay mpanjaka, mihanihany izay mpifehy; ny trano mimanda rehetra ihomehezany, vovo-tany no asavovony dia afany ireny.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Tsy raharahany akory izay mpanjaka, ary dia ihomehezany ny mpanapaka. Tsy mampihontsina azy izay tanànamimanda; tovon-tany no asavovony, dia afany ireny.
Malagasy Bible 1865
Izy manakora ny mpanjaka, Ary ihomehezany ny mpanapaka; Ny tanàna mimanda rehetra dia ihomehezany, Ka dia manandratra tovon-tany izy ka mahafata azy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Manakora ny mpanjaka izy ary ihomehezany ny mpanapaka eo aminy. Ny tanàna mimanda rehetra dia ihomehezany ka manandratra tovon-tany izy ary mahafaka izany.
malagasy
Izy manakora ny mpanjaka, Ary ihomehezany ny mpanapaka; Ny tanàna mimanda rehetra dia ihomehezany, Ka dia manandratra tovon-tany izy ka mahafata azy.[Heb. vovoka]