Habakkuk 1:12 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Moa tsy hatrizay hatrizay va Ianao, RY TOMPO Iray Masina Andriamanitro? Tsy ho faty Ianao! TOMPO ô, ho amin’ny fitsarana no nanendrenao ireny; ry Vatolampy ô, ho fananarana no nanangananao azy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Moa tsy hatramin’ny fiandohana va Ianao, ry Iaveh Andriamanitro, ilay Màsiko? Tsy ho faty izahay. Iaveh ô, ny nanorenanao izany vahoaka izany dia hahatanteraka ny rariny, ny mba hamay no nanaovanao mafy orina azy, ry Vatolampiko.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Hatrizay hatrizay tokoa dia Ianao no TOMPO, Ianao no Andriamanitro masina sady tsy mety maty! Ry TOMPO Vatolampy miaro ahy ô, notendrenao sy nohatanjahinao ny Babilônianina fahavalonay mba ho famaizana sy fananarana anay.
Malagasy Bible 1865
Tsy hatrizay hatrizay va Hianao, Jehovah Andriamanitro, Iray Masiko? Tsy ho faty izahay; Ry Jehovah ô, ho famaizana no nanendrenao ireny, Ry Vatolampy ô, fananarana no nanangananao azy
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Moa tsy hatrizay hatrizay va Ianao, RY TOMPO Iray Masina Andriamanitro? Tsy ho faty Ianao! TOMPO ô, ho amin’ny fitsarana no nanendrenao ireny; ry Vatolampy ô, ho fananarana no nanangananao azy.
malagasy
Tsy hatrizay hatrizay va Hianao, Jehovah Andriamanitro, Iray Masiko? Tsy ho faty izahay; Ry Jehovah ô, ho famaizana no nanendrenao ireny, Ry Vatolampy ô, fananarana no nanangananao azy