Habakkuk 1:13 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ianao izay madio maso ka tsy ta hahita ny ratsy ary tsy mahazaka mijery fampahoriana, nahoana Ianao no mijery ny mpamitaka? Nahoana no mangina Ianao raha mandrapaka ny marina noho izy ny ratsy fanahy?
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ny masonao madio loatra, tsy hahajery ny ratsy; ary Ianao tsy mety mibanjina ny fahoriana. Ka nahoana no hojerenao fotsiny ireo mpamitaka; ary hangìna Ianao, raha mihinana ny marina ho izy, ny ratsy fanahy?
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Nefa madio loatra ny masonao ka tsy mahajery ny ratsy; ary tsy tantinao koa ny mitazana fahoriana. Koa nahoana no jerenao fotsiny izay ataon’ny mpamitaka? Ary nahoana no mangina Ianao, Andriamanitro ô, raha aripaky ny olon-dratsy ny marina noho izy?
Malagasy Bible 1865
Hianao, Izay madio maso ka tsy te-hitsinjo ny ratsy Ary tsy mahajery fahoriana, Nahoana Hianao no mijery izay mamitaka Ary mangina, raha ny ratsy fanahy mandrapaka ny marina noho izy,
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)

malagasy
Hianao, Izay madio maso ka tsy te-hitsinjo ny ratsy Ary tsy mahajery fahoriana, Nahoana Hianao no mijery izay mamitaka Ary mangina, raha ny ratsy fanahy mandrapaka ny marina noho izy,