Habakkuk 1:16 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Koa izany no amonoany zavatra hatao fanatitra ho an’ny haratony sy andoroany ditin-kazo manitra ho an’ny harato tarihiny, fa ireo no ahazoany anjara matavy sy hanina matsiro.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ka noho izany, izy manao sorona ho an’ny haratony, sy manatitra emboka manitra ho an’ny harato tarihiny; satria ireo no ahazoany anjara hanina matavy sy sakafo matsiro.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Koa izany haratony izany no anaovany sorona izay dorany hanetona ho mari-panajana azy, satria fitaovana ahazoany sakafo matsiro sy matavy.
Malagasy Bible 1865
Koa izany no amonoany zavatra hatao fanatitra ho an'ny haratony sy andoroany ditin-kazo manitra ho an'ny harato tarihiny; Fa ireo no ahazoany hanina matsiro sy anjara matavy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Koa izany no amonoany zavatra hatao fanatitra ho an’ny haratony sy andoroany ditin-kazo manitra ho an’ny harato tarihiny, fa ireo no ahazoany anjara matavy sy hanina matsiro.
malagasy
Koa izany no amonoany zavatra hatao fanatitra ho an'ny haratony sy andoroany ditin-kazo manitra ho an'ny harato tarihiny; Fa ireo no ahazoany hanina matsiro sy anjara matavy.Koa noho izany dia hanaisotra ny ao amin'ny tandrohony va izy Ary hamono firenena mandrakariva ka tsy hiantra?