Habakkuk 1:5 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Jereo any amin’ny Jentilisa ka diniho, ary aoka ianareo ho gaga fa manao zavatra amin’ny andronareo Aho, izay tsy hinoanareo raha olona no mitantara aminareo.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Topazo maso ireo firenena ka zahao; dia migagà sy mitalanjòna. Fa indro Aho amin’ny andronareo hanao zavatra, izay tsy hinoanareo raha olona no mitantara aminareo.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
«Banjinonareo ny hafa firenena, hoy ny Tompo. Ary aoka ianareo ho talanjona tokoa fa amin’izao andronareo izao no hanaovana asa izay tsy hinoanareo na dia holazaina aminareo aza.
Malagasy Bible 1865
Jereo any amin'ny jentilisa, ka diniho, ary gagà dia gagà; Fa manao zavatra amin'ny andronareo Aho, Izay tsy hinoanareo, na dia holazaina aminareo aza.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Jereo any amin’ny Jentilisa* ka diniho, ary aoka ianareo ho gaga fa manao zavatra amin’ny andronareo Aho, izay tsy hinoanareo raha olona no mitantara aminareo.
malagasy
Jereo any amin'ny jentilisa, ka diniho, ary gagà dia gagà; Fa manao zavatra amin'ny andronareo Aho, Izay tsy hinoanareo, na dia holazaina aminareo aza.