Habakkuk 1:8 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Haingam-pandeha noho ny leoparda ny soavaliny sady masiaka noho ny amboadia amin’ny hariva. Mampiriotra ny kalesy fitondra miady ny mpitaingin-tsoavaliny; eny, avy lavitra ny mpitaingin-tsoavaliny; manidina toy ny voromahery maika hihinana izy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Mailaka noho ny leoparda ny soavaliny, sady liana noho ny amboadia amin’ny hariva. Mampiriotra ny mpitaingin-tsoavaliny; avy lavitra ny mpitaingin-tsoavaliny, manidina toy ny voromahery lian-te hihinana.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Faingam-pandeha noho ny leôparda ny soavaliny, ary kinga noho ny amboadia miremby takariva. Avy lavitra ny mpitaingin-tsoavaliny no mitsamboamboatra ary mirimorimo toy ny voromahery miantoraka amin-kaza.
Malagasy Bible 1865
Faingana noho ny leoparda ny soavaliny Sady masiaka noho ny amboadia hariva; Ny mpitaingin-tsoavaliny mampiriotra, eny, ny mpitaingin-tsoavaliny dia avy lavitra; Miezaka toy ny voromahery maika hihinana izy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Haingam-pandeha noho ny leoparda ny soavaliny sady masiaka noho ny amboadia amin’ny hariva. Mampiriotra ny kalesy fitondra miady ny mpitaingin-tsoavaliny; eny, avy lavitra ny mpitaingin-tsoavaliny; manidina toy ny voromahery maika hihinana izy.
malagasy
Faingana noho ny leoparda ny soavaliny Sady masiaka noho ny amboadia hariva; Ny mpitaingin-tsoavaliny mampiriotra, eny, ny mpitaingin-tsoavaliny dia avy lavitra; Miezaka toy ny voromahery maika hihinana izy.[lopa]