Habakkuk 2:1 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Hitsangana eo ambonin’ny toerana fiambenako Aho ary hijoro eo ambonin’ny manda; hiandry Aho mba hahitako izay holazainy Amiko sy izay havaliko amin’ny fitarainako.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Tiako ny mitana ny anjara toerako, sy mipetraka eo amin’ny tilikambo fiambenana, dia hitandrina aho hahitako izay holazain’i Iaveh amiko, sy izay havaliko ny fananarana hatao amiko.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Hipetraka maharitra eo amin’ny fiambenako aho ary hiandry toy ny mpitily eo amin’ny manda mba hahitako izay holazain’Andriamanitra amiko sy hahafantarako izay havaliny ny fitarainako.
Malagasy Bible 1865
Hitsangana eo ambonin'ny fitazanako aho Ary hijoro eo ambonin'ny manda, Hiandry hahitako izay holazainy amiko Sy izay havaliko amin'ny fitarainako.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Hitsangana eo ambonin’ny toerana fiambenako Aho ary hijoro eo ambonin’ny manda; hiandry Aho mba hahitako izay holazainy Amiko sy izay havaliko amin’ny fitarainako.
malagasy
[Ny nilazan'i Jehovah tamin'ny mpaminany ny amin'ny handringanana ny Kaldeana] Hitsangana eo ambonin'ny fitazanako aho Ary hijoro eo ambonin'ny manda, Hiandry hahitako izay holazainy amiko Sy izay havaliko amin'ny fitarainako.