Habakkuk 2:16 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Efa feno henatra ianao fa tsy voninahitra; mba misotroa koa ka asehoy ny fitanjahanao! Hatolotra anao ny kapoaka eny an-tanana ankavanan’NY TOMPO, ary fahamenarana no ho solon’ny voninahitrao.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Henatra no nivokisanao fa tsy voninahitra; misotroa koa ianao, ka asehoy ny tsy mahavoafora anao; havadika hirotsaka aminao ny kapoaka ao an-tanana ankavanan’i Iaveh; ho sarona fahafaham-baraka ny voninahitrao.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ho rakotra henatra ianareo fa tsy voninahitra: Misotroa koa ianareo ka mitanjaha! hoentin’ny TOMPO hampibobohany anareo ilay tsangambava feno ny famaizany ka hiova fahafaham-baràka ny voninahitrareo.
Malagasy Bible 1865
Efa feno henatra ianao, fa tsy voninahitra; Mba sotroy koa, ka mitanjaha; Hatolotra anao ny kapoaka eny an-tanana ankavanan'i Jehovah, Ary fahamenarana no ho amin'ny voninahitrao.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Efa feno henatra ianao fa tsy voninahitra; mba misotroa koa ka asehoy ny fitanjahanao! Hatolotra anao ny kapoaka eny an-tanana ankavanan’NY TOMPO, ary fahamenarana no ho solon’ny voninahitrao.
malagasy
Efa feno henatra ianao, fa tsy voninahitra; Mba sotroy koa, ka mitanjaha; Hatolotra anao ny kapoaka eny an-tanana ankavanan'i Jehovah, Ary fahamenarana no ho amin'ny voninahitrao. [Na: aoka ho hita fa tsy voafora ianao]