Habakkuk 2:17 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Fa hanody anao ny herisetra natao tamin’i Libanona sy ny fandringanana mahatahotra namelezana ny biby, noho ny ran’olona sy ny herisetra natao tamin’ny tany, dia tamin’ny tanàna sy ny mponina rehetra ao aminy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Fa hitsingerina aminao ny fahasiahana namelezana an’i Libàna mbamin’ny fandringanana ny biby raiki-tahotra mahatsiravina, noho ny ran’olona nalatsaka, sy ny loza natao tamin’ny tany, na tamin’ny tanàna na tamin’ny mponina rehetra ao aminy.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Fa hanody anareo ny fanimbana ala nataonareo tany Libano; naringanareo ny biby tao, ka biby koa no hampihorohoro anareo. Izany rehetra izany dia ho tonga noho ny olona novonoinareo ho faty sy ny herisetra vitanareo tamin’ny tany dia tamin’ny tanàna sy ny mponina rehetra ao.
Malagasy Bible 1865
Fa hanody anao ny loza natao tamin'i Libanona Sy ny fandringanana mahatahotra namelezana ny biby, Noho ny ran'ny olona sy ny loza natao tamin'ny tany, Dia tamin'ny tanàna sy ny mponina rehetra ao aminy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Fa hanody anao ny herisetra natao tamin’i Libanona sy ny fandringanana mahatahotra namelezana ny biby, noho ny ran’olona sy ny herisetra natao tamin’ny tany, dia tamin’ny tanàna sy ny mponina rehetra ao aminy.
malagasy