Habakkuk 2:19 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Lozan’izay miteny amin’ny hazo hoe: Mifohaza! Ary amin’ny vato moana hoe: Mitsangàna! Hampianatra va ireo? E! voapetaka takelaka volamena sy volafotsy ihany izy, nefa tsy misy fanahy akory ao anatiny.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Loza ho an’izay manao amin’ny hazo hoe: Mitsangàna! sy amin’ny vato moana hoe: Mifohaza! Hampianatra va izy? Indro fa voapetaka volamena sy volafotsy izy, nefa tsy mba misy fofon’aina akory ao anatiny.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Lozanareo manao amin’ny tapa-kazo hoe: «Mifohaza!» sy amin’ny vato moana hoe: «Mitsangàna!», nefa tsy afa-kilaza na inona na inona izy. Eny, fa na dia voapetaka takela-bolamena sy volafotsy aza ireo, dia tsy manana aina akory ao anatiny.
Malagasy Bible 1865
Lozan'izay manao amin'ny hazo hoe: Mifohaza! Ary amin'ny vato moana hoe: Mitsangàna! Hampianatra va ireo? He! voapetaka takela-bolamena sy volafotsy ihany izy, Nefa tsy misy fanahy akory ao anatiny.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Lozan’izay miteny amin’ny hazo hoe: Mifohaza! Ary amin’ny vato moana hoe: Mitsangàna! Hampianatra va ireo? E! voapetaka takelaka volamena sy volafotsy ihany izy, nefa tsy misy fanahy akory ao anatiny.
malagasy
Lozan'izay manao amin'ny hazo hoe: Mifohaza! Ary amin'ny vato moana hoe: Mitsangàna! Hampianatra va ireo? He! voapetaka takela-bolamena sy volafotsy ihany izy, Nefa tsy misy fanahy akory ao anatiny.Jehovah dia ao amin'ny tempoliny masina; Mangina eo anatrehany, ry tany rehetra!