Habakkuk 2:5 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Eny tokoa, mamitaka ny divay. Tsy mba mahatoetra ny lehilahy miavonavona, dia ilay mitanatana vava tahaka ny fitoeran’ny maty; eny, toy ny fahafatesana ka tsy mety voky. Fa manangona ny firenena rehetra ho ao aminy izy sady mamory ny olona rehetra ho ao aminy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ary fanampin’izany koa, mamitaka ny divay. Tsy haharitra ny olona miavonavona, izay mampitombo ny fahalianany ho lehibe toy ny seoly sy tsy mety voky, hoatra ny fahafatesana; mamory ny firenena rehetra ho ao aminy, ary manangona ny vahoaka rehetra ho azy.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Eny, mamitaka ny harena: Tsy mahatombina mihitsy ny mpiavonavona, fa homan-dava tahaka ny toeran’ny maty izy ary tsy mety voky toy ny fahafatesana ka dia manangona ny firenen-drehetra ho an’ny tenany sy mamory ny olon-drehetra ho eo ambany fifehezany.
Malagasy Bible 1865
Ary koa, mamitaka ny divay; Ny olona miavonavona tsy mba mahatoetra, Dia ilay mitanatana vava tahaka ny fiainan-tsi-hita, Eny, toy ny fahafatesana, ka tsy mety voky, Fa manangona ny firenena rehetra ho ao aminy Sy mamory ny olona rehetra ho ao aminy..
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Eny tokoa, mamitaka ny divay. Tsy mba mahatoetra ny lehilahy miavonavona, dia ilay mitanatana vava tahaka ny fitoeran’ny maty*; eny, toy ny fahafatesana ka tsy mety voky. Fa manangona ny firenena rehetra ho ao aminy izy sady mamory ny olona rehetra ho ao aminy.
malagasy
Ary koa, mamitaka ny divay; Ny olona miavonavona tsy mba mahatoetra, Dia ilay mitanatana vava tahaka ny fiainan-tsi-hita, Eny, toy ny fahafatesana, ka tsy mety voky, Fa manangona ny firenena rehetra ho ao aminy Sy mamory ny olona rehetra ho ao aminy..[Heb. Shoela]