Habakkuk 2:6 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Tsy hanao oha-teny hamelezana azy va ireto olona rehetra ireto? Tsy hanao eson-teny sy fitenenana hanoherana azy va izy? Izao no holazainy: Lozan’izay mahery manangona ny tsy azy! Mandra-pahoviana? Dia izay mivesatra tombon-trosa tsy voaloa ara-potoana.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Moa va izy ireo, dia izy rehetra, tsy hanonona oha-teny momba azy amam-panoharana sy ankamantatra mihatra aminy? Hanao hoe: Mila loza izay mandroaka ny tsy azy, - mandra-pahoviana? - sy ho an’izay mandray ho entana tataoviny ny zavatra natao tsatòka.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ireo vahoaka babo rehetra ireo kosa dia hiara-manao oha-pitenenana hanesoesoana sy hanaratsiana azy.» Eny, ireo vahoaka ireo no hilaza hoe: «Lozanareo mpangoron-karena izay mandraoka ny tsy anareo sady mivesatra ny tsatòka! Mandra-pahoviana no hanaovanareo izany?
Malagasy Bible 1865
Tsy hanao oha-teny hamelezana azy va ireto rehetra ireto? Tsy hanao eson-teny sy fitenenana hanoherana azy va izy ka hanao hoe: Lozan'izay mahery mandroaka ny tsy azy! Mandra-pahoviana! dia ilay mivesatra ny zavatra nalaina ho tsatòka
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Tsy hanao oha-teny hamelezana azy va ireto olona rehetra ireto? Tsy hanao eson-teny sy fitenenana hanoherana azy va izy? Izao no holazainy: Lozan’izay mahery manangona ny tsy azy! Mandra-pahoviana? Dia izay mivesatra tombon-trosa tsy voaloa ara-potoana.
malagasy
Tsy hanao oha-teny hamelezana azy va ireto rehetra ireto? Tsy hanao eson-teny sy fitenenana hanoherana azy va izy ka hanao hoe: Lozan'izay mahery mandroaka ny tsy azy! Mandra-pahoviana! dia ilay mivesatra ny zavatra nalaina ho tsatòka[Heb. fampanonona]