Habakkuk 3:11 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ny masoandro sy ny volana dia nijanona teo amin’ny toerany, noho ny fahazavan’ny zana-tsipìkanao mitsoriaka sy ny fanelatrelatry ny lefonao mamirapiratra.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Tafajanona eo amin’ny fitoerany ny masoandro amam-bolana; ka ny fanjelajelatry ny zana-tsipìkanao no andehanan’ny olona, sy ny fahazavan’ny lefonao mamirapiratra.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Noho ny zana-tsipîkanao mamiratra mitsoriaka, noho ny lefonao manjelanjelatra mahajemby, dia tsy nahahetsika ny masoandro sy ny volana.
Malagasy Bible 1865
Ny masoandro sy ny volana niditra teo amin'ny fitoerany, Noho ny fahazavan'ny zana-tsipìkanao mitsoriaka Sy ny fanelatselatry ny lefonao mamirapiratra.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ny masoandro sy ny volana dia nijanona teo amin’ny toerany, noho ny fahazavan’ny zana-tsipìkanao mitsoriaka sy ny fanelatrelatry ny lefonao mamirapiratra.
malagasy
Ny masoandro sy ny volana niditra teo amin'ny fitoerany, Noho ny fahazavan'ny zana-tsipìkanao mitsoriaka Sy ny fanelatselatry ny lefonao mamirapiratra.