Habakkuk 3:16 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Nony nandre aho dia mandevilevy ny ato anatiko; ny molotro dia mipararetra noho ny feo; azon’ny fahalovana ny taolako ary mangovitra tsy afa-mihetsika aho eo am-piandrasana ny andro fahoriana, izay hiakaran’ny mpiantafika hamely ny olona.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Vao nandre aho dia nivadika ny tsinaiko; mipararetra amin’izany feo izany ny molotro, idiran’ny fahalòvana ny taolako, mangovitra ny lohaliko eo ambaniko, noho ny tsy maintsy hiandrasako amim-piadanana ny andro mahory, izay hiakaran’ny fahavalo hampahory ny vahoaka anankiray.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Reko avokoa izany ka dia mangotika aho. Mipararetry ny tahotra koa ny molotro. Mihaosa ny tenako ka mangozohozo famindra. Eny, am-pahanginana no tsy maintsy iandrasako ny androm-pahoriana hamelezan’Andriamanitra ity vahoaka izay mamoritra anay ity.
Malagasy Bible 1865
Nony mandre aho, dia mandevilevy ny kiboko; Ny molotro mipararetra noho ny feo; Azon'ny fahalòvana ny taolako, ary mangovitra aho; Fa tsy maintsy miandry ny andro fahoriana aho, Dia izay hiakaran'ny mpanao an-diany hamely ny olonao.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Nony nandre aho dia mandevilevy ny ato anatiko; ny molotro dia mipararetra noho ny feo; azon’ny fahalovana ny taolako ary mangovitra tsy afa-mihetsika aho eo am-piandrasana ny andro fahoriana, izay hiakaran’ny mpiantafika hamely ny olona.
malagasy