Habakkuk 3:17 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Fa na dia tsy mamontsina aza ny aviavy ary tsy misy voany ny voaloboka, na dia mandiso fanantenana aza ny oliva ary tsy mahavokatra hohanina ny saha, na dia vonoina aza ny ondry ao am-bala ary tsy misy omby ao am-pahitra,
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Satria amin’izany ny aviavy tsy hamontsina, ny voaloboka tsy hisy hotoazana; ny ôliva tsy hisy voany; ary ny saha tsy hahavoka-kanina; tsy hisy intsony ao amin’ny vala ny ondry ary ny fahitra tsy hisy omby intsony.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Fa na dia tsy mamontsina aza ny aviavy ary tsy manome voa ny voaloboka, na dia tsy mahavanona aza ny ôliva ary tsy mahavokatra hanina ny saha, na dia voapaoka aza ny ondry ao am-pahitra ary tsy misy omby intsony ao am-bala,
Malagasy Bible 1865
Fa na dia tsy mamontsina aza ny aviavy, Ary tsy misy voany ny voaloboka, Na dia mahadiso fanantenana aza ny oliva, Ary tsy mahavokatra hohanina ny saha, Na dia vonoina aza ny ondry ao amin'ny vala, Ary tsy misy omby ao am-pahitra,
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Fa na dia tsy mamontsina aza ny aviavy ary tsy misy voany ny voaloboka, na dia mandiso fanantenana aza ny oliva ary tsy mahavokatra hohanina ny saha, na dia vonoina aza ny ondry ao am-bala ary tsy misy omby ao am-pahitra,
malagasy