Habakkuk 3:2 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
TOMPO ô, efa reko ny filazana momba Anao ka raiki-tahotra aho, RY TOMPO. Tanteraho amin’ny fotoanany ny asanao; ataovy fantatra amin’ny fotoanany izany! Na dia tezitra aza Ianao dia tsarovy ny indrafonao!
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Iaveh ô, nandre izay nampandrenesinao aho, dia raiki-tahotra aho, Iaveh ô! Velomy ny asanao amin’ny taona mifandimby; ataovy fantatra amin’ny taona mifandimby izy. Na eo amin’ny hatezeranao aza, mahatsiarova ny hamindra fo.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
TOMPO ô, efa reko izay nambaranao ka dia raiki-tahotra aho. TOMPO ô, enga anie ny asanao mba ho velombelona hatrany amin’izao andronay izao; eny, amin’izao andronay izao no ataovy fantatry ny olona izany. Fa na dia tezitra aza Ianao, asehoy anay ihany ny indrafonao.
Malagasy Bible 1865
Jehovah ô, efa reko ny filazana Anao, ka raiki-tahotra aho; Jehovah ô, velomy ny asanao ao an-tenatenan'ny taona, Ataovy fantatra ao an-tenatenan'ny taona izany; Na dia tezitra aza Hianao, tsarovy ny indrafo.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
TOMPO ô, efa reko ny filazana momba Anao ka raiki-tahotra aho, RY TOMPO. Tanteraho amin’ny fotoanany ny asanao; ataovy fantatra amin’ny fotoanany izany! Na dia tezitra aza Ianao dia tsarovy ny indrafonao!
malagasy