Habakkuk 3:8 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Moa amin’ny ony va no irehetan’ny hatezeran’NY TOMPO? Amin’ny ony va no fahatezeranao, na amin’ny ranomasina va no ahasosoranao, no dia mitaingina ny soavalinao sy ny kalesim-pandresenao Ianao?
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Amin’ny ony va no mahatezitra an’i Iaveh? sa amin’ny ony no irehetan’ny fahatezeranao? amin’ny ranomasina no mampisafoaka anao, raha ilay mitaingina ny soavalinao iny Ianao, raha mitaingina ny kalesim-pamonjenao?
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Moa ny ony va, TOMPO ô, no irehetan’ny fahatezeranao sa ny ranomasina no isafoahanao, no dia ny rahona no toa kalesy tarihin-tsoavaly itaingenanao mba hahazoam-pandresena?
Malagasy Bible 1865
Moa amin'ny ony va no irehetan'ny fahatezeran'i Jehovah? Amin'ny ony va no ahatezeranao, Na amin'ny ranomasina va no ahasosoranao, No dia mitaingina ny soavalinao sy ny kalesim-pamonjenao Hianao?
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Moa amin’ny ony va no irehetan’ny hatezeran’NY TOMPO? Amin’ny ony va no fahatezeranao, na amin’ny ranomasina va no ahasosoranao, no dia mitaingina ny soavalinao sy ny kalesim-pandresenao Ianao?
malagasy
Moa amin'ny ony va no irehetan'ny fahatezeran'i Jehovah? Amin'ny ony va no ahatezeranao, Na amin'ny ranomasina va no ahasosoranao, No dia mitaingina ny soavalinao sy ny kalesim-pamonjenao Hianao?