Haggai 1:12 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
I Zerobabela, zanak’i Seltiela, sy i Josoa, zanak’i Jozadaka, Mpisoronabe, mbamin’ny sisa rehetra amin’ny vahoaka, dia nihaino ny feon’NY TOMPO Andriamaniny sy ny tenin’i Hagay mpaminany, araka ny efa nanirahan’NY TOMPO Andriamaniny azy; ary natahotra teo anatrehan’NY TOMPO ny olona.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Tamin’izay i Zôrôbabela, zanak’i Salatiela, sy i Jesosy, zanak’i Josedeka, mpisorona lehibe, mbamin’ny vahoaka sisa rehetra nihaino ny feon’i Iaveh Andriamaniny, sy ny tenin’i Akjea, mpaminany, araka ny hafatra nomen’i Iaveh Andriamaniny azy, ka natahotra ny vahoaka teo anatrehan’i Iaveh.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
I Zerobabela zanakalahin’i Sealtiela ary koa i Josoa mpisorombe zanakalahin’i Jôtsadaky mbamin’izay rehetra tafaverina avy any an-tsesitany dia nandray tsara ny tenin’ny TOMPO Andriamaniny, izay nampitain’i Hagay mpaminany araka ny efa nanirahan’ny TOMPO Andriamaniny azy; ary naneho fanajana ny TOMPO ireo olona ireo.
Malagasy Bible 1865
Ary Zerobabela, zanak'i Sealtiela, sy Josoa, zanak'i Jozadaka, mpisoronabe, mbamin'ny sisa rehetra amin'ny vahoaka, dia nihaino ny feon'i Jehovah Andriamaniny sy ny tenin'i Hagay mpaminany, araka ny nanirahan'i Jehovah Andriamaniny azy, ary natahotra teo anatrehan'i Jehovah ny olona.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
I Zerobabela, zanak’i Seltiela, sy i Josoa, zanak’i Jozadaka, Mpisoronabe, mbamin’ny sisa rehetra amin’ny vahoaka, dia nihaino ny feon’NY TOMPO Andriamaniny sy ny tenin’i Hagay mpaminany, araka ny efa nanirahan’NY TOMPO Andriamaniny azy; ary natahotra teo anatrehan’NY TOMPO ny olona.
malagasy