Haggai 1:6 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Namafy be ianareo nefa kely no azo avy amin’izany; mihinana ianareo nefa tsy voky; misotro ianareo nefa tsy afa-po; mitafy ianareo nefa tsy misy mafana; ary izay mahazo karama dia mahazo karama hatao an-kitapo loaka.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Namafy be ianareo, fa nijinja kely; mihinana, fa tsy ampy hahavoky; misotro, fa tsy ampy hahafa-po; mitafy, fa tsy ampy hanafàna; ary ny mpikarama mahazo ny karama hatao an-kitapo loaka.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Namafy be ianareo nefa kely no jinjainareo; mihinana ianareo nefa tsy voky ary misotro nefa tsy afa-po; mitafy ianareo nefa tsy mafana; ary ny karaman’ny mpiasa dia mora lany toy ny amin’ny kitapo loaka.»
Malagasy Bible 1865
Efa namafy be ianareo, nefa kely no taomina: mihinana ianareo, nefa tsy voky; misotro ianareo, nefa tsy afa-po; mitafy ianareo, nefa tsy misy mafana; ary izay mahazo karama dia mahazo karama hatao an-kitapo loaka.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Namafy be ianareo nefa kely no azo avy amin’izany; mihinana ianareo nefa tsy voky; misotro ianareo nefa tsy afa-po; mitafy ianareo nefa tsy misy mafana; ary izay mahazo karama dia mahazo karama hatao an-kitapo loaka.
malagasy